Ry Olomasina tsaroana (Hira fanevan'i Md Jacques Berthieu)
Amin'ny 21 oktobra 2012 izao àry no hananganana ho Olomasina ny Olontsambatra Jacques Berthieu. Samia miomana hankalaza an'Andriamanitra miaraka amin'ny Fiangonana manontolo amin'io andro io. Dia mirary zotom-po sy herim-po hiarovana ny finoana sy ny marina ary ny masina eo amin'ny fiainantsika andavanandro. Miombom-bavaka.
Ry Md Jacques Berthieu, mivavaha ho anay, ho an'i Madagasikara, ho an'ny Fiangonana ary ho an'izao tontolo izao!

Tononkira:

1. Ry Olomasina tsaroana
Vavolombelon'ny finoana
Na dia natahotra ho faty
Hita ho nisotro ny aleoko maty
Ka tsy niahotra na kely
Tsy nitaraina velively
Loza raha matimaty foana
(F'ianao) maty nijoro tam-pinoana

Ry Jacques Berthieu
Vavolombelona
Ny fiainanao maneho finoana velona
Ampionao izahay mba hino ihany koa
Hijoro ka hiray fa mpianatr'i Jesoa

2. 'Lay misionera igagana
Tsotra mitepo fo mafana
Maika hamonjy ny marary
Hontsa an'ireo natao fanary
Nitety toeran-tsesehena
Nanentana ny fambolena
Fa hamonjy ny olo-manontolo
(No tanjona) tanjony mba ho an'ny daholo

Ry Jacques Berthieu tia fihavanana
Ny fiainanao naneho
Fitiava-namana
Ny ohatra entinao dia lalan-tsoa tokoa
Ho anay havanao
Mba ho voavonjy koa

3. Narovanao ireo vehivavy
Tamin'ny Menalamba be fiavy
Ianao niseho saro-piaro
No naharomotra ny maro
Ka noratraina ianao
Nanaovana ny tsy fanao
Loza ny asan'ny satana
(F'ianao) masina tsy isalasalana

Ry Ray be fitia Andriamanitray
Ry Zanak'i Maria, Jesoa Zokinay
Misaotra Anao tokoa fa ny Fanahinao
No niaro mba ho soa ity mpanomponao

AC: P. RABOTOSON Louis Augustin SJ