Miverena aty Antsihanaka
Miverena aty Antsihanaka

Efa ela loatra izao
no nandehananao,
nandao ity toerana izay niarahana.

Indrisy anefa
tsy nisy azoko natao
afa-tsy ny mirary ny hiverenanao.

Izay rehetra nahita ahy
nandatsa avokoa;
Tsy kivy anefa aho fa manana anao.

Mba mivirena aty Antsihanaka aty e
Raha reninao izao antsoko izao
Mba miverena aty Antsihanaka aty e
Havanao anie ity nilaozanao ity.

Na lavitra aza ianao
aza adino ny efa vita;
aza adino hoy aho
na dia iray minitra.

Ny taratasy ihany anie
No ataovy sesilany
F'izaho aty manina ka mitomany.

Iny soratanako iny anie
aoka tsy hoe hambàka anao
fa iny no solontenako hamangy anao.

La la la la...

Tantely (Nova Dakoto)