Sitraka et al. - Kamboty velon-dray
Ny tarika Hasina sy i Sitraka
KAMBOTY VELON-DRAY

Toy ny zanak'ondry very an'efitra izahay
Tsy mba misy ny hanorotoro sy hananatra
Dada ô miverena ianao,f'aza ny hadisoan'i neny
No entina hampijaliana anay

Ho kamboty velon-dray ve izahay
Ka hanjeninjeny foana hitsiriritra ireo namanay
Very vahatra izahay toy ny masoandro
Ny masoandro vao hiposaka ka hilentika sahady ho maizina

Tsy safidim-ponay re
Ny ho ety an-tany fa ny fitiavanareo
k'aza avela ho malok'ila ny androm-piainanay ety an-tany
Fa mahatsiaro ho irery izahay

Ireo namanay mpiara-milalao
mitanisa falifaly fa manan-dray mahavita izao sy izao
ny ato an-trano anefa zara raha mitafy
Fihafina lava tsy mba manan-dray hanafy

Nilaozanao..Nilaozanao